Efa miroso amin’ny lafiny nomerika avokoa amin’izao fotoana izao ny tontolo iainana ankehitriny. Izany indrindra no antony nananganan’ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara” ny Vovonana “Soka.Club” izay hampiatiana ny ara-dizitaly. Tanjon’ity orinasam-pifandraisana ity ny hanokatra teknolojia avo lenta mihavao hatrany ho an’ny tsirairay manerana ny Nosy sy ny eto amin’ny Kaontinanta Afrikanina.
Amin’ny alalan’ny fanolorana tombontsoan’ny haitao ara-kajy mirindra izay azon’ny mpanjifa sitrahana no hanatanterahan’ny “Yas Madagasikara” izany. Ny resaka kilalao isan-karazany sy ny lafiny ara-panatanjahan-tena araka izany no tena hiompanan’ny “Soka.Club”. Vina apetraky ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara” ny hampiditra ny rehetra mba hijery ireo zava-misy maneran-tany sy ny aty amin’ny kaontinanta Afrikanina. Ny hahafahan’izy ireo mibe sy mampitombo ny fahaizana amam-pahalalana araka izany no fanambin’ity orinasam-pifandraisana ity. Na betsaka aza ny rafitra miova amin’ny alalan’ny fanavaozana dia toloran’ny “Yas Madagasikara” izany fihavaozana izany araka izany ireo manan-talenta amin’ny famoronana kilalao sy ny manodidina izany indrindra fa ireo mpiantsehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra. Mila tosika anefa izy ireo amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo mba hisy fiantraikany izany. Nisy ny adihevitra fampahafantarana ity Vovonana “Soka.Club” ity izay niarahana tamin’ireo manam-pahaizana momba izany. Ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara” no mametraka ny Vovonana “Soka.Club” eto Madagasikara sy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina.
Ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara” izay manasongadina ny tontolon’ny nomerika eto amintsika. Misahana ihany koa ny 2 % amin’ny tsenan’ny fifandraisan-davitra tany am-piandohana raha ny efa 66% amin’izany izao ankehitriny, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara”, Randrianjatovo Henintsoa, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny “Campus Andraharo”.


