“Aoka mba ho tena Fanovana fa tsy ho sadasada ny “Fanovana” hisy taorian’ny fandresen’ny tolona notarihan’ireo Tanora leo fanapenam-bava sy tofoka tamin’ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra” Io no fanehoan-kevitra nentin’i Zoky MISA, manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.
Ny fisian’ny tena Fanovana no hiteraka ny fampandrosoana noho ny “Fanovana” hamongotra hatrany ifotony ny gaboraraka, ny tsy fahaiza-mitantana, ny fampanjakana ny “Akamakama”, sns. Tsy ho mora anefa ny hanatanterahana ilay dradraina ankehitriny hoe “Tena Fanovana” raha tsy eo ny fahasahiana sy ny fananana paikady maty paika mety sy sahaza ny Malagasy ary ny fanovana ny foto-pisainana lomoron’ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra sy ny fitiavam-bola diso fatra.
Nanterin’i Zoky MISA nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa ara-drariny raha toa ka ireo Tanora nitarika ny tolona no hatao laharam-pahamehana ny famahana ny olan’izy ireo ; toy ny tsy fisian’asa izay mety hitarika azy ireo hivarilavo. Mila jerena akaiky ihany koa ny lafiny fampianarana mba ho sehatra afaka mamolavola taranaka Vanona sy Vonona ho amin’ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara tokoa ireo Solofo sy Dimby nisitraka fanabeazana ombana fampianarana mifaka amin’ny maha Malagasy sy sahaza ilay Madagasikara ; fa tsy fandaharam-pianarana natao dika mitovy tamin’ny an’ny Firenena Vahiny efa nampitondra faisana ny Malagasy.
Mitaky fijerena manokana ireo “Lalàna” ny fanatanterahana ireo rehetra ireo, hoy, hatrany i Zoky MISA fa tsy vitan’ny resaka am-bava ombana tora-po fotsiny.
Mila “Okom-baovao” mahafantatra ny tena olana fototra mahazo azy i Madagasikara mba hahafahan’ny Malagasy misitraka sy miandrandra fiainana tsara kokoa. Anisan’ny azo antenaina hitondra izany ireo Tanora. Ny tena fahombiazana anefa dia ny fiaraha-miasa sy mientana eo amin’ny Vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka. “Tsy adidiko Izaho samy irery, fa Adidiko Izaho sy Ianareo” hoy ny Ombalahibemaso. Hirariana mba tsy hitranga ny fanilihana sy ny fiheveran-tena ho tonga lafatra sy valaben’ny fahalalana. Sarotra fa mila fanetre-tena tanteraka izany. Tsy mora, araka izany, ny mametraka ilay “Tena Fanovana” fa tsy sadasada. Mila fahasahiana sy fahamailona tanteraka fa tsy kely lalana ny ratsy sy ireo zatra ny lalan-dririnina.


