ORINASA “LFL MADAGASCAR” : Namokatra ny akoho haingam-pitombo “KÔMBÔ”

LFL Madagascar

Anisan’ireo nibahan-toerana tamin’ilay “Tsenabe Fivoarana” andiany faharoa izay notontosaina, teny Imerintsiatosika, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana akohogasy nohatsaraina sy ny akoho haingam-pitombo “KÔMBÔ” izay niarahana tamin’ny orinasa “LFL Madagascar”. Ankoatra izay dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, teny an-toerana, ihany koa, ny vokatra vaovao provandy “KÔMBÔ”.

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Handraisana andraikitra amin’ny tetikasa “Kopakelatra”

Tetikasa Kopakelatra

Manoloana ny fanariana tavoahangy plastika eny rehetra eny izay mahatonga ny fahalotoan’ny tontolo iainana dia nanangana tetikasa antsoina hoe: “Kopakelatra” ny Star mba hahafahana miady amin’izany. Ireo olana goavana atrehin’izao tontolo izao ireo izay ahitana tavoahangy plastika aman-tapitrisany taonina isan-taona. Antony hanamafisin’ny STAR ny fitrandrahana azy ireo mba ho lasa tombony ara-toe-karena…