FIANGONANA HEBREO NOTSRYM : Manomana "konferensa" lehibe

Ny Alahady 18 Janoary hoavy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy Ankasina”Bet kneset” trano fivavahan’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Efajato metatra atsinanan’ny Gare routière Maki Andohatapenaka, amin’ny ankavanan-dalana, trano simenitra lehibe miendrika sambo no hanatanteraka fifanakalozan-kevitra malalaka ny fikambanana”Malagasy Nosy miavaka” izay misy ny Fiangonana Hebreo notsrym.

Politique !

Ravalomanana - TIM

Le parti TIM et son leader charismatique, Marc Ravalomanana ont réussi leur rentrée politique. C’était samedi dernier à Tanjombato. Beaucoup ont émis des critiques sur l’événement, présence des personnalités hors TIM, et autres. Mais, franchement, le TIM renait de ses cendres.

FIKAMBANANA ANJAVA-SAKATIA : "Fa nahoana ny fitondram-panjakana foibe sy ny fitondram-panjakana ety ifotony no manohy ny fikasany hatrany haka ankolaka ny tanin'ny mponin'ny Nosy Sakatia ?"

Taorian’ny fitsidihana nataon-dRamatoa Minisitry ny Fizahantany sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo manam-pahefana ao Nosy Be, ny zoma 9 janoary 2025, dia namoaka fanambarana ny fikambanana Anjava-Sakatia. Fanambarana izay maneho mazava ny ahiahy sy ny fijoroan’ny mponina manoloana ny tetikasa fizahantany kasaina hapetraka ao amin’ny Nosy Sakatia, izay heverin’izy ireo fa manambana ny tanindrazany sy ny zo fototra ananany.