« 25 LIGHT LIVE PARKING » : Ho fararanon-danonana

Azo ambara ho lanonana marolafy hanana endrika feno no hiaraha-migoka sy manjifa manomboka, ny misandratr’andron’ny (10 ora maraina) 25 jona, etsy amin’ny CCI Ivato. Ao anatin’ny hetsika goavana « 25 Light live parking ».

Ankoatry ny rindran-kira iarahana amin’ ireo mpanakanto fanta-daza ahitana an’i Wadda & Yoongs ary i Mad Max eny an-toerana. Hisy ihany koa ny fifaninanana dihy ho an’ny sokajin-taona rehetra sy fanaovana dihy miaraka sady mirindra « Flash mob ». Ho avy hanafana sy hanentana i Didi man ary hiara-dalana amin’izany ihany koa ny fikosehana kapila hifandrimbonan’ny Dj Danny sy Dj Midjay. Hampiavaka ny lanonana ny fandefasana afomanga ary ny fampiasana ireo jiro sy hazavana ary fanamafisam-peo hiaka faran’ny teknolojia handrakofana sy handravahana ny alin’ny 25 Jona eny amin’ny CCI Ivato ho fahafinaretan’ny maso sy ny sofina. Hisy ny sakafo sy zavapisotro sahaza ny rehetra eny an-toerana. Ny hanolotra lanonana feno ho an’ny sokajin-taona rehetra anatin’ny toerana iray. Io rahateo no tanjona ho an’ny « Agrim event » mpiketrika ny « 25 Light live parking ». Nampanantena rahateo ny mpikarakara fa ho hentitra ny fitandroana ny filaminana. Tsy ho diso anjara ihany koa ireo ho tsara vintana anatin’ny lalao fisarihana « Tombola » izay hahazoana lelavola anaty valopy tsy ampoizina.

Vous aimerez aussi