« REVY NJILA 100% » : Teny Antsahamanitra no fotoana

Njila, Poopy, Mahery

Tontosa soa aman-tsara, teny Antsahamanitra, ny alahady 31 Aaogositra 2025, ny « Revy Njila 100% », izay nanasongadinana ilay fampisehoana goavana niarahana tamin’i Njila. Fampisehoana goavana izay nampiarahany feo tamin’i Poopy sy i Mahery. Naharitra ora telo teo ho eo ny fampisehoana izay nezahana nivazoina ireo hira nahafantarana an’i Njila hatramin’izay ka hatramin’izao…