26 NO MATY – 92.583 NO TRABOINA : Miantso fanampiana avy any ivelany i Madagasikara

Manao antso vonjy sy fanampiana iraisam-pirenena i Madagasikara noho ny halehiben’ny fahavoazana mitranga eto amin’ny firenena. Izany no tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta vonjimaika natao teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo.

Araka ny tatitra avy amin’ny birao misahana ny loza voajanahary (na ny BNGRC) tokoa manko dia nahatratra 26 ny olona maty, 15 ny olona tsy mbola hita, 92.583 no traboina, 12.311 ireo olona voatery nafindra toerana, 10.659 ireo trano dibo-drano, 146 ireo trano rava, 7 no trano nahitana fahasimbana ary làlam-pirenena maro no simba, nandritra iny fandalovan’ny andro ratsy teto amintsika iny.

Voinam-pirenena

Faritra fito no tena voa mafy, ka nambara fa Voinam-pirenena no mahazo antsika. Izay midika fa ilaina ny fanampian’ireo firenena avy any ivelany. Antsoina koa anefa ireo malala-tanana rehetra, na vondron’olona na fikambanana, na ny any am-pita na ny eto an-toerana mba hiara-hisalahy amin’izao voina mihatra amin’ny firenena izao.

Ankoatra ny fiatrehana ny fanarenana dia maika ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana amin’ny hanin-kohanina, ny fanafody sy ny fitaovana maro samihafa iatrehana ny andavanandrom-piainana.

Tsy zava-baovao eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy ny fifampitsinjovana, indrindra amin’ny fahoriana tahaka izao. Mila fohazina, noho izany, ny soatoavin’ny fihavanana mampalaza ny Malagasy.

Vous aimerez aussi