ADALA MIRENIRENY : Iza no tompon’andraikitra ?

Mitombo isa hatrany ireo olona marary saina na adala mirenireny eto an-drenivohitra. Toa tazanim-potsiny anefa izy ireny kanefa olombelona ihany, saingy tsy misy mpiahy noho ny fanilihan’ny fiaraha-monina azy.

Ny « pompier »

Tamin’ny taona maro lasa dia toa ny vondron’ny mpamono afo (na ny pompier) no miandraikitra azy ireny, kanefa niova tsikelikely ny fandaminana ka tsy tompon’antoka amin’ireny intsony izy ireo.

Matetika manko no mitondra antsy na vato, na fitaovana mety handratra samihafa ireny olona adala na marary saina ireny. Misy aza moa ny vehivavy no avy hatrany dia mandrora na midaroka ny mpandalo tsotra izao.

Manoloana izany dia noheverina fa ny mpitandro filaminana no tokony hisambotra aza. Rehefa zohina anefa dia tsy olana loatra ny fisamborana ireo adala fa ny fikarakarana azy. Raha aterina eny amin’ny toerana tokony hisy azy manko ireo adala, toy ny eny Anjanamasina na Imeritsiatosika dia miala andraikitra ny fianakaviany. Olana, araka izany, ny fandoavana ny vola amin’ireny toerana ireny.

Andrasana ny Ben’ny Tanàna

Ny mahavelombolo dia efa ao anatin’ny vinan’ny kandidà Ben’ny Tanàna rehetra ny fametrahana tobin’ny « pompier » isaky ny boriborintany. Heverina ny hiverenan’ny andraikitra raisin’ny « pompier » manolona ireny karazana olona ireny. Antenaina fa tsy hialangalana manoloana izany izay Ben’ny Tanàna ho lany eo, satria ao anatin’ny tanàna iandraiketany no misy ireny olona niangaran’ny vintana ireny.

Vous aimerez aussi