Omena valo (8) andro, manomboka anio, mba hanalana ireo fiara maty sy entana mibahan-dàlana ny tompony. Namoaka izany fampahatsiahivana izany indray ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, araka ny didim-pitondrana laharana faha-95-291, izay efa navoaka tamin’ny 18 aprily 1995 sy ny laharana 96-583 tamin’ny 7 jolay 1997, izay samy mikasika ny momba ny « fourrière ».
Tsy maintsy esorina, noho izany, ireo fiara maty mijanona maharitra sy karazan’entana mibahana eny amoron-dàlana rehetra eny.
Nanterin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo (CUA) fa haka fepetra hentitra ny tompon’andraikitra raha tsy manala izany ao anatin’ny fe-potoana voafaritra ireo tompon’ny fiara maty sy entana.
Izao fepetra izao no ampahatsiavina dia ny hampanjary bebe kokoa hatrany ny lamina sy fampanajana ny lalàna, ka hisian’ny firindran’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Noho izany, tokony hanaja sy hankato izany lalàna izany ny rehetra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

