Arovava 150, “gel hydroalcoolique” 150 ary “Eau de Javel” 20 litatra no natolotry ny antoko HVM sy ireo loholona avy amin’io antoko io ho an’ny CSB II Sabotsy Namehana ny herinandro lasa teo. Fitaovana ho anjara biriky hanohanana ireo mpiasan’ny fahasalamana entina miady amin’ny valan’aretina Covid-19 izao natolotry ny antoko izao. Notronon-dRamatoa Noro Rakotovao vadin’ny filohan’ny Antenimieran-doholona ny fotoana nanomezana ireto fanampiana teny Sabotsy Namehana ireto. Feno fankasitrahana ny teo anivon’ny CSB II noho izao tohana hoenti-miady amin’ny areti-mandripaka izao, hoy ny fanazavana.
Manahy savorovoro
Ankoatra izay, dia miteraka ary hiteraka savorovoro ny tsy fanomezana fanazavana momba ny fahafahana manao fitiliana faobe na tsia avy amin`ny fitondram-panjakana, hoy ny antoko HVM. Nametra-panontaniana ihany koa izy ireo amin`izay mety ho ambadik`izao. Mitaky ihany koa ny mangarahara amin`ny fampiasam-bola sy ny natokana amin`ny fiatrehana ny Covid-19 ny antoko. Nasian’ny HVM teny ihany koa ny fahafahan`ireo mpanao gazety manao ny asany mba hanome vaovao marina sy hanakaiky vahoaka, fa tsy ampy ny vaovao azon’izy ireo, hoy hatrany ny antoko HVM.
