ALAKAMISY FENOARIVO : Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Anisan’ny toerana nahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 tany amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Efa maromaro ireo lasibatr’ity aretina ity, raha lehilahy iray avy any Toamasina no niandohany.  Manoloana io tranga io dia tsy mipetra-potsiny ireo mponina any an-toerana. Nisy ny fangatahana nataon’ireo mpampianatra sasany tany amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ka nahazoana fanafody Hth milanja 5 kilao. Toerana maromaro no efa voafendraka ranom-panafody araka izany, toy ny sekoly rehetra ao anatin’ny Zap-n’iFenoarivo, ny tsena isan’andro, ny toerana misy ny zandary izay maro olona mivezivezy. Raha araka ny fanirian’ireo mponina any an-toerana dia ny tokantrano tsirairay avy mihitsy no ezahina ho fendrahana ranom-panafody raha ampy ny ho enti-manana. Tsiahivina fa ramatoa iray mpanasa lamba no fantatra farany fa nitondra ny tsimokaretina Covid 19 tao amin’ity kaominina ity.

Vous aimerez aussi