Taorian` ireo fepetra noraisina tamin`ny filankevitry ny minisitry ny sabotsy lasa teo, manoloana ny fihanaky ny aretina Covid-19, dia nanapaka ny teo anivon`ny faritra Itasy fa voarara ny fitaterana olona eo anelanelan` Ambatomirahavavy sy Imeritsiantosika. Voakasik` izany ihany koa ny “Taxi-moto” sy “bisikileta”. 8 000 ariary ny saram-pitaterana eo amin` ireo toerana roa ireo amin` ny “moto” raha 3 000 ariary kosa izany amin`ny bisikileta. Manoloana izany dia hisy ny hetsika ataon`ny zandary miandidy amin` ity faritra ity amin`ny fandraisana fepetra amin` ireto farany ireto. Tsara no manamarika fa 200 isa ireo “taxi-moto” sy “taxi-bisikileta” mampifandray an` Imeritsiantosika sy Ambatomirahavavy isan’andro.
