AMBOHIMANAMBOLA : Taksibe iray nampidirina foriera, mpandeha 2 tsy nanao arovava

Toy ny fitaterana taksibe rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina dia nanomboka ny alarobia teo ihany koa no niverina niasa ireo fiara miasa eny amin’ny kaominina Ambohimanambola. Tsy nisy fepetra manokana notakian’ny Kaominina sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fomba fiasan’izy ireo, fa manaraka fotsiny ny fepetra navoakan’ny ministeran’ny fitaterana amin’ny tsy tokony hisian’ny olona mitsangana sy ny mipetraka amin’ny lalan-tsara afovoany na “strapontin” ary ny tokony hitondran’ny mpandeha rehetra arovava sy hanosorana “desinfectant” ny tanana alohan’ny hidirana anaty fiara. Notanterahin’ireo fiara niasa an-tsakany sy an-davany avokoa ireo fepetra ireo tamin’ny ankapobeny ary manara-maso izany ny polisy kaominaly eny an-toerana sy ny zandary, ka fiara iray no efa nahatrarana olona roa tsy nitondra arovava ka nampiharana avy hatrany ny sazy fampidirana foriera. Tokony tsy hiseho ny tahaka izany, hoy ny zandary, raha samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay fa tsy voatery arahi-maso akaiky lava izao. Marihana fa saran-dalana tokana 600 ariary no alohan’ny mpandeha rehetra fa tsy misy tapa-dalana.

Vous aimerez aussi