AMBOHIMANGAKELY : Miverina ny tsifandriampahalemana

Tato anatin’ny andro vitsy izao, tsikaritra ho mahazo vahana indray ny halabotry sy ny vaky trano ary ny fanendahana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Lasibatra amin’ny halabotry ireo biby fiompy toy ny akoho amam-borona, kisoa, omby. Vao ny mangiran-dratsin’ity andron’ny alarobia ity no nanjavona tao amin’ny tokantrano iray ny fitaovam-pitaterana kodiaran-droa « moto » an’olona iray monina ao Ambohijafy, fokontany Ambohimitsara Ambohimangakely. Niezaka nitady ireo mpangalatra ihany ny tompony, io maraina io, saingy niala maina.

Mila hazavana sy fandraisana andraikitra

Manoloana izany, mila hiraviravy tanana ireo mpiompy ary manomboka mandry tsy lavo loha ihany koa ny ankamaroan’ireo mponina eny an-toerana noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Ankoatra ny halabotry, ny vaky trano. Hita taratra ihany koa fa miverina indray ny asa fanendehana amin’ireo sakelidalana maro eny anivon’ny fokontany  miisa 18 mandrafitra ny kaominina eny Ambohimangakely.

Anisan’ny hetahetan’ireo mponina eny Ambohimangakely ny hampirehetana indray ireo takamoa eny amin’ireo andrin-jiron’ny Jirama. Nampanantena ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Ambohimangakely fa efa an-dalana ny ho fanatanterahana izany.

Ho hatevenina ihany koa ny fisafoana hataon’ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena izay iarahan’izy ireo miasa amin’ny sefom-pokontany sy ireo vaomieran’ny fandriampahalemana. Manantena vokatra azo tsapain-tanana anatin’ny fotoana fohy, araka izany, ny mponina eny Ambohimangakely izay efa mandry andriran’antsy noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana tato ho ato.

Vous aimerez aussi