AMBOHITRIMANJAKA : Tsy ho vita amin'ity taona ity ny fampidirana rano

Na dia efa nanomana tetibola hanamboarana ny fitarihan-drano vaovao avy eny amin’ny toho-drano Antsapanana Ambohitrimanjaka aza ny kaominina. Mbola tsy ho vita amin’ity taona ity ny fotodrafitrasa araka ny nambaran’Atoa Ihajaso Randriamanalintsoa « Zaza », ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka. 36 tapitrisa Ar ny vola eo am-pelatanana araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna. Ny fandraisana anjaran’ny mponina, mitotaly 16 tapitrisa Ariary sy ny 17-20 tapitrisa Ar, avy amin’ny kaominina. Rehefa natao anefa ny antso fanaikana tolo-bidy « appel d’offre » amin’ny fanatanterahana ny asa ; 50 tapitrisa Ar ny tolo-bidy farany ambany. Ankoatra izay, tsy maintsy manao fangatahana alalana avy amin’ny APIPA vao afaka manatanteraka ny fotodrafitrasa. Mbola nametraka fepetra “recommandation” miisa 6 ihany koa ity antokon-draharaha ity. Rehefa natao ny totalin’ny vola ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa iray manontolo miaraka amin’ireo fepetra takian’ny APIPA ireo, dia tafakatra 80 tapitrisa Ar mahery.

80 tapitrisa Ar

Eo amin’ny 36 tapitrisa ny vola eo am-pelatanana, kanefa 80 tapitrisa Ar mahery ny vola ilaina. Mbola tsy ampy 40 tapitrisa mahery ny vola hanatanterahana ny fotodrafitrasa. Tsy ho tratra amin’ity taona ity ny fanamboarana ny tatatra fitarihan-drano vaovao. Tsy maintsy ampidirina anefa ny rano ka ny fotodrafitrasa teo aloha ihany aloha no amboarina hitarihan-drano amin’ity taona ity. “Vanne d’arrêt” no handrindrana ny fampidiran-drano. Nampanantena kosa anefa ny ben’ny tanàna, fa tsy maintsy hovitaina amin’ny herintaona ity fotodrafitrasa ity. Apetraka any amin’ny banky ary tsy mbola hokitihina ireo vola efa voaangona, ary efa natsangana ny komity mpitantana araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna hatrany.

Vous aimerez aussi