Tao ambany fiara vao tafajanona ilay moto rehefa avy nandona olona. Tetsy Ampefiloha no nitrangan’izany, ny fiandohan’ny tolakandro teo.
Naratra sy tsy nahatsiaro tena ilay tovolahy nitaingana ity kodiaran-droa ity ary nentin’ny olona teny amin’ny hopitaly Ravoahangy.
Saika isan’andro no ahitana lozam-pifamoivoizana tahaka izao ary matetika ny moto no lasibatr’izany.
Zary fomba iainan’ny moto mihitsy tokoa manko ny misisika sy misongona, na ankavia io na ankavanan’ny fiara hosongonany ka mora mitranga ny loza.
Ambara hatrany fa hisy ny fampianarana lalàna momba ny fifamoivoizana omena azy ireny kanefa toa tsy mety tanteraka izany. Vitsy amin’izy ireny tokoa manko no mahay ny lalàn’ny fifamoivoizana kanefa misetrasetra amin’ny fitondrana itony moto itony, indrindra fa ireo tanora. Farafaharatsiny mba ampidirina ao an-tsainy ny hoe lahitokana ny aina.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.