Tsena maromaro teto an-drenivohitra, voalaza fa tsy ara-dalàna no narodan’ny Sampan-draharahan’ny Tsena teo anivon’ny « Commune Urbaine d’Antananarivo » (CUA) nanomboka omaly 27 Mai 2020.
Trano hazo, trano vy miorina eo amin’ny toerana efa voalaza fa tsy azo hanorenana izany no lasibatr’izy ireo tamin’izany. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa efa nampilazaina mialoha ireo tompon’ny tranom-barotra ka nomena fehim-potoana hanalàna izany. Ny ankamaroan’izy ireo anefa dia samy tsy niraharaha ireo fampitandremana mialoha ireo ka mbola ninia nivarotra ihany. Noho izany dia nandray andraikitra ny teo anivon’ny CUA nanatanteraka ny fandravana ireo tranom-barotra ireo teo amin’izany toerana izany ka tsy ho azon’izy ireo hatao intsony ny mamerina ireo ho eo amin’izany toerana izany.
