ANALANJIROFO : Nodimandry ny Lehiben’ny Faritra

Nodimandry teo amin’ny amin’ny faha-59 taonany androany ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo, Tsaramandihy Honoré Paul.

Nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena izy tamin’ny fotoam-pahavelomany. Administrateur civil rahateo izy.

Ny volana marsa 2019 izy no voatendry ho Lehiben’ny Faritra vonjimaika tany an-toerana.

Efa Lehiben’ny Distrika tao Sambava,Tsaratanàna, Andilamena, Mandritsara, Analalava ary efa DAGT tao amin’ny Faritra Analanjirofo izy.

Tao Toamasina izy no narary ary izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka tao izao.

Ny mpiara-miasa eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia mirary fiononana ho an’ny fianakaviana.

Vous aimerez aussi