ANDAVAMAMBA ANJEZIKA : Sefo fokontany vaovao voatendry, tsy eken’ny mponina fa toheriny

Nanao hetsika fanoherana ny fanendrena ny sefo fokontany vaovao ao amin’ny fokontany Andavamamba Anjezika ny mponina tao an-toerana, omaly. Antony, lasa kiatranoantrano sy kinamanamana ity fanendrena sefo fokontany ity, hoy ny mponina. Nambaran’ny fokonolona tany an-toerana, fa nofitahina izy ireo, satria nasaina nanangona sonia tamin’ny hizarana ilay fanampiana tosika fameno avy any amin’ny fitondrana. Tsy arak’izay anefa ny zava-niseho satria, tsy nahazo fanampiana ireo olona marefo ara-pivelomanana, fa fanendrena sefo fokontany no natao ary natao tamin’ny alina koa ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sefo fokontany teo aloha sy ny vaovao. Tezitra ireto mponina, raha vao nandre izany ka nirohitra nakeny amin’ny biraom-pokontany nanao hetsika sy fitakiana ny fialan’ity sefo fokontany vaovao ity. Tsy ankasitrahan’ireto mponina rahateo ny hitantanan’io sefo fokontany vaovao io, ny fokontanin’izy ireo. Antony, teo ny fitantanana ny tosika fameno, ny vatsy tsinjo, ny tsena mora, izay tsy nazava tamin’ny mponina ny fitsinjarana izany, satria efa mpikambana tao anatin’ilay komity Loharano io sefo fokontany vaovao io. Nilaza kosa ity farany, fa ny lehiben’ny distrika no nanendry azy ho eo amin’izay toeran’ny sefo fokontany izay ary nisy ny didy voarainy, nefa dia izao takian’ny fokonolona izao sahady ny fialany. Andrasana indray ny mety ho tohin’ny raharaha.

Vous aimerez aussi