« Arakaraka ny loza mitatao amin’ny tanimbary no mainka tsara dia tsara ny vokatra. Tombanana ho 7 taonina isan’hekitara ny voka-bary eny amin’izao fotoana ! ». Fampahafantarana avy amin’i Eric Randrianaivo, izay solontenan’ny mponina eny Ambohitrimanjaka izany, raha nilazalaza momba ny vokatra amin’io toerana io izy ary miandry ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena hidina eny an-toerana.
Hihemotra ny Filoha
Araka izany, hampatsiahy angamba ny Filoha rehefa tonga eny, araka ny propagandiny, fa tsy hanototra tanimbary na dia iray dia aza ary hamerina amin’ny tompony izay tany nototofana.
Efa nahatsapa ny fisian’ny lesoka rahateo izy, ny amin’ny tsy fetezan’ny fampiraharahana sy fanosihosena ny zon’ny olona, manoloana ny tetikasa Tanà Masoandro kasaina hatao eny.
Ambohitrimanjaka ihany koa no tanimbary tsy tondraky ny rano teto Madagasikara, tamin’ireny andro ratsy ireny, satria manana ny fahamasinany io tany io.
Koa ahoana tokoa moa no mamonjy olona traboina ny Fitondrana kanefa mampiditra olona vaovao ho traboina indray, izay mivelona amin’ny tanimbariny ?
Koa ny fanontaniana tokony hatao dia ny hoe : Firy ny Malagasy mihinam-bary ? fa tsy ny hoe : firy ny Malagasy mivelona @ io tany io ?
Hitondra fampandrosoana sa hamono ?
Ny tanjon’ny Fitondrana dia ny hoe hitondra fampandrosoana, kanefa hamono ny fiveloman’ny vahoaka indray ve ?, hoy ihany ity solontenan’ny mponina ity. Koa hitany sy ho tsapany eo rehefa rehefa hidina eny izy, fa mahavelona ny vahoakan’Antananarivo io ka tsy tokony ho tsinontsinoavina.
Mpamboly ny ankamaroan’ny olona ao Ambohitrimanjaka ary mahay mamboly noho ny Arabo alefa any Bas Mangoky, hoy ihany izy.
Notsindriany fa ny fahaizana mamboly dia sarotra soloina asa hafa. Satria tsy hanao « gardien » na asa hafa ny mponina eny, satria tsy fampandrosoana izany ary tsy fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka.
Antenaina, noho izany, ny hilazan’ny Filoha fa manana ny rariny Ambohitrimanjaka raha vao mijery ny tanimbary eny izy.
Ny hevitry ny mponina koa dia tsotra : Io no ahafahana mivelona malalaka, tsy manohintohina fiaraha-monina, tsy mikitika ny tombontsoan’ny hafa ary tany navelan’ny razana hatrizay. Koa tsy kitihina io ary tsy azo totofana !
Ampio ‘zahay
Andrasana fatratra, araka izany, ny fidinan’ny Filoha eny, satria mialoha ny filatsahany dia nahay nidina teny izy, ka rariny raha tonga eny indray ny tenany hampatsiahy ny fampanantenana nataony.
Fa ho anisan’ny hangatahan’ny mponina aminy ny hanomezana zezika sy injeniera Malagasy mba hampianatra ny tantsaha mpamboly, ary dia ho avo 5 heny ny vokatra eny, ka tsy Antananarivo irery no velomin’io fa Madagasikara iray manontolo !
Miteny ny voka-pifidianana
Maro an’isa lavitra ny vahoakan’Ambohitrimanjaka mitaky ny tsy fanotofana iny toerana iny. Mazava ny valin-tenin’ny vahoaka raha ny voka-pifidianana kaominaly teo no jerena. Nandresy tamin’ny fomba malalaka be mihitsy manko ny TIM. Tsy resaka politika anefa akory fa valin-kafatra momba ilay Tanà masoandro iny ! Resy lavitra ary farany indrindra ny kandidà TGV nirotsaka teny. Efa hafatra ampitaina sahady izany !
Tsy Ambohitrimanjaka ihany
Tsy ny mponin’ Ambohitrimanjaka ihany no misitraka ny tombontsoa avy amin’io lemak’i Betsimitatatra io fa Antananarivo manontolo. Raha ara-teknika dia ao no hivarinan’ny rano. Koa raha totofana io dia tonga hatrany Analakely ny mpiompy no misaka trondro.
Mila miray hina, noho izany, ny rehetra izay mihinana vary avy eo, toy ny mponin’Antananarivo, ny Zanakampielezana,…satria tanimbary iombonan’ny Malagasy rehetra ‘zay mihinam-bary io. Izay ny ara-toekarena.
Ovay toerana ny tetikasa
Vao miala kely an’ Ambohitrimanjaka dia efa misy tampon-tanety azo anaovana tsara ny tetikasa Tanà Masoandro. Tsy mila totofana akory izany, ka tokony handaniana volabe, kanefa azo anaovana Tanàna vaovao tsara.
Tsy hoe tsy tia fandrosoana akory Ambohitrimanjaka fa mba manontany kosa hoe maninona no tsy maintsy ao anatin’io tanimbary io no hatao izany ? Ary raha tsy ao dia maninona ? Raha tsy eo ve dia tsy fampandrosoana ?
Tafo hasina
Tafo hasina ny vohitr’ Ambohitrimanjaka, hoy hatrany i Eric Randrianaivo, ka manana ny maha-izy azy. Ao ihany ny mponina no afaka manao ny fombany, ka ohatran’ny alana aminy mihitsy ny maha-olona azy raha esorina ao izy.
Tsy ho tamana any an-toeran-kafa ny mponin’ Ambohitrimanjaka satria tsy afaka miaina an-kahalalahana amin’ny efa mahazatra azy izy.
Manahy ny ho amin’ny fivelomana rahampitso izy. Ho lasa mpangataka, sa mpiasan’olona,…nefa fambolena no tena hainy sy mahasoa azy ?!
Tsy mangataka izahay mandritra ny taona fa mivarotra aza ! Na vary na biriky, trondro,…dia efa fiveloman’ny taranaka nifandimby teo hatrizay. Koa aoka izay tena mahasoa ny vahoaka no hatao !
Santa-bary
Amin’ny sabotsy ho avy izao no hotanterahina eny an-toerana ny fifampiarahaban’ny mponina noho ny fahatrarana ny taona vaovao. Amin’io ihany koa no hatao ny lanonana amin’ny santa-bary. Koa manasa ny rehetra tsy an-kanavaka ny mponina eny mba ho tonga hifanotrona aminy amin’izany fotoana lehibe izany.
