Notanterahina anio ny fandevenana ny mpanakanto Andriamialisoa Nanahary, fantatra amin’ny hoe Jacques Nanahary.
Niala teny amin’ny trano fonenana eny Soavimasoandro ny razana ny maraina teo ary nentina teny amin’ny Fiangonana FJKM Antanety Andrefana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy fampaherezana ny fianakaviana.
Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, ny talata teo moa ity mpanakanto nitarika ny tarika Nananahary ity.
Ny Agence Malagasy de Presse dia mampahery hatrany ny fianakaviana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.