« Mandalo fahasahiranana ny firenentsika eo amin’ny fifandraisana ara-politika ka manjary lasa mifampirafy ny olona. Ilaina anefa ny fandeferana ! ». Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao izany, raha namarana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely izy. Fivoriana izay tsy nifarana raha tsy ny misasak’alin’ ny omaly zomà.
Mpanohitra
Mialoha izany moa dia lany nasiam-panitsiana teo anivon’ity Antenimierandoholona ity ny volavolan-dàlana 2020, mikasika ny tetibolam-panjakana fa tsy lany kosa teny anivon’ny Antenimierampirenena. Araka izany dia nifandroritan’ireto Andrimpanjakana roa ireto ny amin’ity volavolan-dalàna ity.
Iaraha-mahalala fa maro an’isa eo amin’ny senatera ny antoko mpanohitra, sady olon’ny mpanohitra rahateo ny Filohany, Rivo Rakotovao, izay avy amin’ny antokon’ny Filoha teo aloha, HVM.
Ankilany, ny an’ny fitondrana ankehitriny kosa no maro olona eny anivon’ny Antenimierampirenena. Mazava, araka izany, ny « fifandrafiana » misy eo amin’ny roa tonta.
Foanana ny Loholona
Izany no anisan’ny fototra hanafoanan’ny Filoham-pirenena ity Andrimpanjakana iray ity, saingy tsy neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana moa izany. Hany ka ny fampihenana ho 18 ny isan’ireo mpikambana ao aminy no hatao.
Mbola hisy anefa ny fitsapana ny hevi-bahoaka momba izany.
Ankilany, tsy mbola hita taratra eny anivon’ny Solombavambahoaka ny lalàna tokony hijoroan’ny mpanohitra fa toa arirariran’ny eny Tsimbazaza eny foana izany.
Raha akapoka izany dia tsy hisy mihitsy ny mpanohitra hijoro ara-dalàna amin’ity fitondrana ity fa te-hanjaka tokana ny mpitondra ankehitriny.
Ifandimbiasana ny toerana
Nasian’i Rivo Rakotovao teny, tamin’ity famaranana ny fotoam-pivoriana ity, noho izany fa « ilaina ny fanjakana mahazaka ny tsi-fitovian-kevitra sy manaiky ny fifandimbiasan-toerana, satria valeur lehibe izany amin’ny mpanao politika ! ».
Tsindro-paingotra ho an’ny fanjakana ankehitriny ihany izany satria tsy hisy haharitra eo amin’izany fitondrana izany ny rehetra fa fandalovana ihany ny eo.
Nentaniny, noho izany, ireo senatera namany mba hanamafy hatrany ny firahalahiana na dia tsy iray antoko politika aza.
