Isaky ny 12 aprily no fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Tsy diso anjara tamin’izany fankalazana izany isika teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny Vovonana ho an’ny Fiaraha-monim-pirenena momba ny ankizy na ny “Plateforme de la Société Civile pour l’Enfance – PFSCE”. Mba hanamarihana izany dia nanatontosa hetsika, teny Antanimena, ny Vovonana, ny sabotsy lasa teo.
Hetsika izay nanentanana ireo ankizy sy nampahafantarana azy ireo ny zony toy ny fananana kopian’ny sora-piankohonana. Ity hetsika ity izay narahina lalao sy tantara tsangana. Ankizy niisa 1.600 no tonga nanohina ny antson’ny “PFSCE”, tamin’io fotoana io, teny an-toerana. “Ankizin’ny lalana manan-jo hanana kopia” no lohahevitry ny fankalazana tamin’ity taona ity. Izany indrindra no nanompanan’ity Vovonana “PFSCE” ity ny hetsika fanamboarana kopia maimaim-poana ho an’ireo ankizin’ny lalana ireo izay hanomboka ny volana jona 2025. Ireo ankizin’ny lalana eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izay avy ao amin’ireo Boriboritany I sy III ary IV no hisitraka izany fanamboarana kopia maimaim-poana izany.
Nosinganina manokana ireo Boriboritany ireo noho izy ireo tena ahitana betsaka ny ankizin’ny lalana. Ao anatin’ny fanisana ireo ankizin’ny lalana ao amin’ireo Boriboritany miisa telo ireo, amin’izao fotoana izao, ny Vovonana. Hanamora ny fananan’ireo ankizin’ny lalana ireo kopian’ny sora-piankohonana araka izany ny Vovonana. Antony nisafidianana io lohahevitra io, ny fanadihadian’ny mpiara-miombon’antoka izay nahita fa maro loatra ireo ankizin’ny lalana tsy manana kopian’ny sora-piankohonana. Ny Ray aman-drenin’ireo ankizin’ny lalana ireo izay manana fahasahiranana amin’izany fanamboarana kopian’ny sora-piankohonan’ ny zanany izany noho ny antony maro samihafa. Eo aloha ny mety ho fatahorana hiditra biraom-panjakana raha eo ihany koa ny fahasahiranana ara-bolan’izy ireo. Antony mahabetsaka ireo ankizin’ny lalana ireo tsy hanana kopian’ny sora-piankohonanana izany.
Ireo ankizin’ny lalana ireo izay mbola sarotra ny hanafoana azy hatramin’izao noho izy ireo manokana ny andavanandrom-piainany eny an-dalambe. Eny no hitadiavany ny sakafo hohaniny sy hatoriany ary ihany koa hilalaovany. Eo ihany koa anefa ireo manana trano hipetrahana toy ny eny La Reunion kely sy Anosibe ary eny amin’ireo toeran-kafa. Ny politikam-panjakana miorina amin’ny firenena iray sy ny fiahiana ireny ankizin’ny lalana ireny anefa no mety hampihena ireny ankizin’ny lalana ireny. Raha ho antsika eto Madagasikara dia miisa 66 ireo fikambanana mandrafitra ny Vovonana “PFSCE”, amin’izao fotoana izao. Izy io izay mbola hitombo isa hatrany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny Mpitam-bolan’ny Vovonana “PFSCE”, Randrianarisoa Hasina.
