ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MPAMONJY VOINA : Nomarihana tamin’ny “Varavarana misokatra” teny Tsaralalàna

Fanomezan-drà sy fizaham-pahasalamana ary fanalana nify faobe maimaim-poana. Fitsidihana sy fanazavana ary fampirantiana ny toby misy ny fiara sy ny fitaovan’ny Sampana Mpamonjy Voina. Fampisehoana ny famonoana afo sy ny vonjy aina. Fampahafantarana ireo fepetra vonjy taitra ho an’ny mpianatra. Fampianarana ho an’ny ankizy sy lehibe. Fanentanana sy fampahafantarana ny mpianatra sy ny tanora ny mahakasika ny Sampana Mpamonjy Voina. Fizaràna mari-pankasitrahana sy amboara ho an’ireo nahavita fiofanana no hetsika nanatontosan’ny Sampana Mpamonjy Voina eny Tsaralalàna ny Andro maneran-tany ho an’ny Mpamonjy Voina, ny 3 may 2025.

Ity fankalazana ity izay marihana isaky ny 4 may fa naroson’ny Sampana Mpamonjy Voina eny Tsaralalana, ny Sabotsy 3 May 2025, ny azy ireo. Io “Varavarana Misokatra” ho an’ny besinimaro io araka izany dia nanehoan’ny Sampana Mpamonjy Voina ny fiavahan’ny asan’izy ireo izay feno fahaiza-manao sy traikefa. « Alohan’ny hahatongavan’ny mpamonjy voina, efa afaka mamonjy aina ireo mpianatra efa nianatra izany. » no anisany filamatry ny Sampana Mpamonjy Voina eny Tsaralalàna, araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny Mpamonjy Voina, ny Commandant Ralaivaonoro Eric Olivier.

Vous aimerez aussi