ANDRON’NY SEHA-PAMOKARANA ETO AN-TOERANA : “Vita malagasy, tiako ka arovako” no teny filamatra

Ny Andron’ny seha-pamokarana eto an-toerana na ny « Journées des Branches de Production Nationales » no hetsika tontosain’ny « Fahefam-pirenena miandraikitra ny fepetra fanitsiana ara-barotra » na ny « Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales » (ANMCC), eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hetsika izay nanomboka ny 16 ka hifarana ny 18 may 2025. Hetsika izay entina hampahafantarana ireo vokatra vita Malagasy.

Teny filamatra nampitondrain’ny ANMCC, ity hetsika mandritry ny telo andro ity, ny hoe : “Vita malagasy, tiako ka arovako”. Orinasa maherin’ny 70 no mampiranty ny vokatra vokarina eto an-toerana raha tranoheva miisa 84 no hita eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fihenam-bidy atolotr’ireo mpandray anjara amin’ireo vokatra vokarin’ny Indostria mamokatra eto an-toerana no sitrahan’ireo mpanjifa mandritra ity fotoana hanatanterahana ny hetsika ity. Eo ihany koa ireo atrikasa sy famelabelaran-kevitra maro samihafa izay entina hampahafantarana ny manodidina izay vokatra malagasy izay. Misy ihany koa ny fanentanana sy kilalao isan-karazany toy ny « tombola » sy ny fampisehoana handraisan’ireo mpanakanto samihafa anjara. Ity hetsika izay entin’ity rafitra iray eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra – ANMCC ity dia hanentanany ny mpanjifa mba ho tonga maro hanjifa ny vokatra vita malagasy. Fotoana iray hahafahana manjifa ireo vokatra vokarina eto Madagasikara araka izany ny « Andron’ny seha-pamokarana eto an-toerana » izay tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Midika ho fanosehana ny orinasa mpamokatra eto an-toerana izany.

Ny Groupe HV sy ny Habibo groupe ary ny HITA izay mpamokatra menaka fihinana sy fanendy no mpanohana ofisialy ny hetsika. Ny ANMCC izay nankalaza ny fahadimy taona nijoroany ny taona 2022 no nanamarika ny fahadimy taona niarovana ny mpamokatra Malagasy ihany koa, tamin’io fotoana io. “Vokatra tena malagasy ahitana ireo karazam-bokatra nisitraka ny fepetra fiarovana avy amin’ny ANMCC no haranty amin’ity hetsika ity. Vokatra miisa 12 avy eto an-toerana no nampiharana ireo fepetra fiarovana ara-barotra ka nahitana vokatra tsara”, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny ANMCC, Barthelemy.

Vous aimerez aussi