Tanora maromaro tetsy Ankadivato no nosamborin’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny boriboritany faha-3 io tolakandro io. Araka ny filazan’ireo mponina dia ny fanakorontanana sy ny fidorohana zava-mahadomelina no isan’ny antony nisamborana azy ireo. Marihina fa maro amin’izy ireo no tsy monina any fa manafika ady fotsiny ary mbola maro ireo karohina lasa nitsoaka. Ny akamaron’izy ireo koa moa dia samy tsy misy nanao aro-tava, koa dia nandray andraikitra ny polisim-pirenena.
