ANKATOKY NY FETIN’NY RENY : Mbola mangiana ny tsenan’ny akoho amam-borona

Ny alahady ho avy izao no hankalazan’ny maneran-tany ny fetin’ny Reny. Anisany hanamarika izany ny Malagasy. Tsy toy ny isan-taona anefa fa tsikaritra ho tsy mahoraka loatra ny endrim-pankalazana noho ny fahasahiranana manao randra-mitarika ateraky ny hamehana ara-pahasalamana. Hita taratra ihany koa izany amin’ny fihenan’ny isan’ireo tonga mividy sy manjifa ireo akoho amam-borona, eny Isotry sy Andravoahangy.

Ho an’ireo mpivarotra akoho sy vorona eny Andravoahangy sy Isotry, zara raha mahalafo manodidina ny 10 hatramin’ny 14 % n’ireo entana amidy eny an-toerana izy ireo. Akoho 01 hatramin’ny 03 no hany mba mivadika ho vola eto an-tsena, hoy Ravaoarisoa, mpiompy akoho gasy, avy eny Andohatanjona Itaosy.

Tsy dia nahitana fiakarany loatra ny vidin’ireo akoho sy vorona. Manodidina ny 15 000 Ar ny akoho vatombatony ary 10 000 Ar ny ganagana salantsalany. Tsy maintsy hiroso amin’ny fampihenana ny vidin’ireo akoho amam-borona ihany ny mpivarotra raha ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo mba hisintonana mpividy ialana amin’ny mety ho fatiantoka. Nomarihan’izy ireo fa tsy mitsaha-miakatra ny masonkarena amin’ny sehatry ny fiompiana akoho amam-borona. Anisan’izany ny sakafo omena ireo biby fiompy sy ny lafiny fitsaboana toy ny fanaovana vaksiny sy fanomezana vitamina isan-karazany. Andrasan’ireo mpiompy sy tantsaha malagasy fatratra ankehitriny ny hamoahana ny drafim-panarenana sy fanampiana azy ireo avy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana.

Vous aimerez aussi