Nahitana olona nihinana tamin’ny ampahan’ilay omby matin’ny haromontana, tany Ankiliabo, kaominin’ny Befotaka, distrikan’ny Mahabo, faritra Menabe, nandritra, ny fankalazana ny fetin’ny pentekoty, farany teo.
Nanao bemidina tany an-toerana ny avy eo anivon’ny foibem-paritry ny fiompiana izay niara-nisalahy tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny CSB II ary ny Zandarimariam-pirenena nizaha akaiky ny toe-draharaha. Nandritra izany fidinana ifotony izany no nahafantrana fa feno ny soritr’aretina hita tamin’ilay omby mialoha ny nahafatesana koa nahafahana nanambara fa haromontana no nahafaty azy. Nisy tamin’ny ampahan’ity omby matin’ny haromontana ity no efa nojifain’ireo olona any Ankiliabo. Vokany, ireo ampahany sisa tsy lanin’izy ireo no nalevina, araka, ny fepetra tsy maintsy raisina rehefa misy tranga tahaka izao. Nitohy tamin’ny fakana singa tamin’ilay omby ny fanadihadiana natao mba nahafahana nanamarina bebe kokoa hatrany fa ny haromontana no tena nahafaty ity biby ity.
Efa arahi-maso eo anivon’ny toera-pitsaboana ny toe-pahasalaman’ireo nanjifa ny ampahan’ny hena omby matin’ny haromontana ary tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalamany. Niroso tamin’ny fanolorana fanefitra ho azy ireo ny mpitsabo any an-toerana.
Mitohy ny ezaka sy ny fanentanana
Miditra anatin’ny iray volana amin’ny fanaovam-baksiny ho an’ireo biby ankehitriny ny ao amin’ny faritra Menabe ary tsy mitsahatra ny fanentanana ireo miompy biby toa ny saka, ny aliaka hanatanteraka ny fanaovana vaksiny azy ireny hisoroahana ny aretina toy ny haromontana. Nomarihan’ny tomponandraikitra miahy ny fiompiana any an-toerana fa ny fisian’ireo aliaka mirenireny marobe eran’ny tanàna no niteraka ny firongatry ny haromontana izay niafara tamin’ny fifindrany tamin’ny biby fiompy.
