Fako miavosa, sisin-dalana feno mpivarotra, fitohanan’ny fifamoivoizana tsy hita noanoa noho ny gaboraraka eo amin’ny tsy fampiharana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, sns. Ireo no ampahany amin’ny fisian’ny gaboraraka eto amin’ny Renivohitry Madagasikara. Nankaiza ny Ben’ny Tanàna sy ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo, hoy, ny Mponina izay mizaka ny tsy eran’ny aina hatrany ? Alaim-panahy ny maro nilaza fa misy ambadika politika maloto ihany ny tranga misy ankehitriny eto Analamanga. Aoka mba tsy ho hatao takalonaina hatrany ny mponin’Iarivo izay manana Zo feno hiaina anaty Tanàna milamina, madio ary mirindra noho ny kajikajy politika tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoa ho an’olon-tokana na vondron’olona manokana. Nankaiza ilay Ben’ny Tanàna tsy sasatry ny namerimberina fa vonona ny hitondra fampandrosoana sy fivoarana ho an’ny Renivohitry Madagasikara sa mbola variana loatra anatin’ny sangodim-panina politika mahavalalanina ny maro hatramin’izao ? Loza raha izay tokoa fa dia ho ambony ambany ilay Iarivo tsy foiko. Ankehitriny, miaina anaty tsy fandriam-pahalemana ihany koa ny “Iarivo lahy tsy maty indray andro”.


