Mandeha ny antsonjay atao amin’ny antoko manohana izao fitondrana izao ! Ny Antoko Bemiray no nanohana fitondrana, nanomboka ny taona 2010 nijoroana ary midera ny zavatra ataon’ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ny antoko. Etsy ankilany dia nilaza ny antoko fa manameloka tanteraka ny fanankorontanana kasain’ny mpanohitra hatao amin’izao ary toherin’ny antoko Bemiray amin’ny heriny rehetra izany. Tsy eken’izy ireo ihany koa ny filazan’ny mpanohitra zavatra diso amin’ny vahoaka Malagasy. Marihana fa hery afivoany na “Centriste” ny antoko Bemiray ary manohana sy miara-dia amin’ny fitondrana izay tarihin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina izy ireo. Ankoatra izay, dia nilaza ny filohan’ny antoko izay tsy nitonona anarana ho fiarovana ny ainy, fa nisy 3 lahy tonga tao amin’ny toera-piasany ary nandrahona azy hoe “ialahy izany manohana izao fitondrana izao?”. “Inona no olana?”, hoy ny filohan’ny antoko Bemiray. Fandrahonana avy hatrany no nahazo io filohan’ny antoko io. Tsy vitan’izay, fa norahonan’izy ireo ho dorana ihany koa ny “atelier” – ny. Ny alatsinainy, hoy ny filohan’ny antoko no tonga tao aminy izay fandrahonana izay. Ny talata kosa vaky ny orinasany ary very tao avokoa ny entana sarobidy an’olona izay hamboarina rehetra. Anisan’izany ny finday raitra 5, onduleur, auto radio, disk dur 10, climatiseur, convertiseur, sns. Raha ny fanazavan’ny filohan’ny antoko, dia mitetim-bidy 1 tapitrisa ariary any ho any ny tombabidin’ny entana very. Efa nametraka fitoriana moa ny tenany ary nilaza fa tadidiny ireo olona 3 nanao fandrahonana taminy ireo. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
