ANTOKO HVM : Mitaky fanadihadiana parlemantera amin’ny ady atao amin’ny covid-19

Miantso fanadihadiana parlemantera mikasika ny fitantanana ny ady atao amin’ny valanaretina coronavirus ny antoko Hvm. Mangataka ihany koa ny mangarahara mahakasika ny tambavy CVO sy ny tsindrona ity antoko ity. Isan’ny fanontaniana napetrak’ireo loholona izay Hvm no maro an’isa nandritry ny fihaonana tamin’ny mpikamban’ny governemanta, ny faran’ny herinandro teo moa ny mikasika ny fitantanana ilay vola 444 tapitrisa euros, fanampiana avy any ivelany. Efa 500 tapitrisa euros mihoatra aza io, raha ny nambaran’ny mpanao politika sasany. Vao tamin’iny herinandro lasa iny no nisy tohana 3 000 000 euros azon’i Madagasikara. Tamin’ny 31 Jona no nisian’ny fanambarana nataon’ny Filoha mikasika ny andrana tsindrona fa hisy ny manam-pahaizana Malagasy halefa any Afrika hanao ny andrana tsindrona. Afaka 15 andro dia ho azo ny vokatra, hoy izy. Andrasana izany satria efa miditra amin’ny herinandro faharoa isika. Mbola tsy nisy ihany koa ny tatitra teto Madagasikara hoe : Malagasy firy marina no nanaovana andrana ? Taiza sy taiza avy ? Tsara ho marihana fa anisan’ny nahatonga ny hetsi-bahoaka tany Mali amin’izao fotoana ny tsy fahampian’ny mangaraharaha amin’ny fomba nitantanan’ny fitondrana Maliana ny ady amin’ny Covid-19.

Vous aimerez aussi