ANTOKO MPIHIRA « ANDRY FITIAVANA » : Milalao gadona maroloko

Ny taona 1989 no niorina ny Antoko mpihira Andry Fitiavana mijoro eo anivon’ny Fiangonana METM Nazareta Fitiavana 67 Ha atsimo. Miisa manodidina ny 50 ankehitriny ireo mpikambana tanora lahy sy vavy mandrafitra azy.

Gadona maroloko, mitaona hibebaka

Milalao ary mahafehy tsara ireo gadona rehetra misy eto ambany masoandro ny antoko mpihira Andry Fitiavana izay tarihan’i Andry Malala. Anton’izany, hoy ny tovolahy ny hahafahana mampita ny hafatra raketin’ireo tononkira ho an’ireo sokajin’olona rehetra (Ankizy, tanora, lehibe). Anisan’ireo loko mozika lalaovin’izy 50 mianadahy ny klasika sy ireo gadona anatin’ny hira madinika efa mahazatra ny sofin-dRamalagasy toy ny bagasy, slow, sns…

Miompana amin’ny fanentanana ny olon-drehetra hibebaka hatrany ary tsy hanalavitra mandrakariva an’Andriamanitra ireo tononkiran’ny « Andry Fitiavana ». Noezahana, ho mora takarina izy ireny, hoy hatrany i Andry Malala izay mpiantsoroka ny famoronan-kira sy fitarihana ny Antoko mpihira.

Omen’ny mpitarika ny « Andry Fitiavana » lanja manokana ny lafiny fanabeazana ara-panahy ireo mpikambana ary mivelatra ho an’ireo mpankafy azy ireo ihany koa izany. Maro, araka izany, ireo tafika masina efa nataon’ity Antoko mpihira ity. Tsongaina amin’izany ny tany Fianarantsoa. Misy mandrakariva koa ny fifampizarana sy fifanakalozana eo amin’ireo samy mpikambana.

Misokatra malalaka ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo fiangonana mino an’i Jesosy Kristy ny « Andry Fitiavana » izay hamarana ny fiakarana an-tsehatra 2021, etsy, amin’ny fiangonana FPVM Tanjombato, ny tolakandron’ny Alahady 12 desambra, ho avy izao.

Vous aimerez aussi