Ny volana may 2013 no tafajoro ny Antoko mpihira « Feon’ny Fifohazana Ambohitsabo » any Toliary. Manodidina ny efapolo ireo mpikambana eo anivon’ny « FFA ». Tanora avokoa ny salan-taonan’ireo lehilahy sy andriambavilanitra mandrafitra azy.
Mampiavaka ny Antoko mpihira « Feon’ny Fifohazana Ambohitsabo » ny famolahan’izy ireo ny karazan-gadona sy dihy netim-paharazana mampiavaka ny tapany atsimon’ny Nosy toy ny kolondoy, ny jihe, tsapiky, kitsepa, sns hoentina mitory ny filazantsara ary hitarihana ireo « Jentilisa » mba hiditra tsy amin’ahiahy anatin’ny fanjakan’Andriamanitra. Misongadina eo ampihainoana ny hiran’ny « FFA » ilay kalitaom-peo kanto loatra feno angola miteraka hovitra mahafinaritra tsy ara-batana ihany fa tsapa hatrany am-po sy fanahy lalina ananan’ireo mpahay kanto an-kira monina any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Nomarihan’i Albani, mpandrindra, mpamorona ary mitendry gitara izay mitarika « Chef de chœur » n’ny Antoko mpihira « Feon’ny Fifohazana Ambohitsabo » sy filoha lefitry ny Fikambanan’ireo Mpanakanto ao Toliary Evenjelika « FMTE » fa feo voajanahary tsy nandalo fanovana na fanatsarana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo « teknolojian’ny feo » ankehitriny no ampiasain’izy ireo hiderana sy hitoriana ny filazantsara amin’olon-drehetra. Manodidina ny telonjato mahery ankehitriny ireo tsangansa voajarin’i Albani ary voarindra amin’ny gadona maroloko izy ireo.
Anisan’ny andrasan’ireo mpankafy ny « AFF » ny hivoahan’ny rindran-tsary ombam-peon’ilay hira « Ela ny fanapahan-kevitrao » ity farany izay narindra amin’ny gadona « tsapiky ». Nambaran’i Rajemisoa Bakoarinjaka Tsirindrainy, filoham-boninahitry ny « FFA » fa efa lasa voambolana fampiasan’ny fiarahamonina any Toliary koa ilay tsanganasan’izy ireo « Tavagno gnay nao » (Vonjeo ny tenanao ) narafitra avy amin’ny fanakambanana ny ban-kira « sud af » sy « tsapiky » izay azo andrefesana ny fankafizan’ny maro ny Antoko mpihira « Feon’ny Fifohazana Ambohitsabo » Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa heno hatrany amin’ireo trano fisotroana sy filanonana maro ao Toliary ny hiran’ny « FFA ». Andalam-piketrehana ny « Tour de Mada » sy ny famoahana miandalana ireo hirany ankehitriny ny « FFA ». Manao antso avo amin’ireo tsara sitra-po ny FFA » hifanome tanana amin’izy ireo ho amin’ny fanabeazam-boho ny asa fitoriana sy ny fanandratana indray ireo mozika sy dihy nentim-paharazana malagasy ho enti-midera ny Ray tsitoha.
