Manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny izay tena manahirana tokoa eo amin’ny lafiny rehetra dia sarotra ny hamaha ny olana. Ho krizy vaovao tsy hisy toa azy no hitranga eto amintsika raha mitohy izao, hoy ny filohan’ny antoko politika Madagasikara endrika vanona na ny Maeva, Raharimanana Mamy, raha naneho ny heviny.
Noho izany indrindra dia niangavy ny filohan’ny repoblika, ny tenany, mba handray andraikitra sao ho zava-doza no hiseho eto amin’ity firenena ity. Fantatra tsara mantsy ny tantaran’ny politika teto Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao fa valifaty politika hatrany no niainana teto amin’ny Nosy raha tsy hitanisa afa-tsy ny tamin’ny 1991 sy 2002 ary 2009 isika. Fanonganam-panjakana mihitsy aza no niseho tamin’ny taona 2009 taorian’ny tenin’ny filoham-pirenena izay nitondra tamin’izany fotoana izany manao hoe: « Tsapao aloha ny herinareo vao mandrefy aty aminay! ». Hiverina foana ve izay? Kanefa ny valifaty politika izay tsy hahafahana mampandroso firenena. Aoka isika mba samy hanana fitoniana, fandeferana, fanetren-tena fa iray ihany ny Malagasy. Aoka izay ny fifamonoan’ny samy mpiray tanindrazana fa vahaolana tena maharitra ho an’ny taranaka faramandimby no aroson’ny Maeva ka raha mahatafavoaka izany ny filoham-pirenena ankehitriny dia tena deraina, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Ankoatran’ny filoham-pirenena dia nanisy resaka ireo antoko avy amin’ny fanoherana ihany koa ity filohan’ny antoko politika Madagasikara endrika vanona na ny Maeva ity na mihenjan-droa aza ny tady eo amin’izy roa tonta ireo. Tsy ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondram-panajakana ihany anefa no nitondran’ny antoko politika Maeva tamin’ny alalan’ny filohany Raharimanana Mamy, teny, fa na ny tafika tandroka aron’ny vozona izay ho an’ny tanindrazana ihany koa aza. Tsy miteny aho hoe: efa am-bavahaonan’ny ady i Madagasikara fa tokony samy handray andraikitra ny rehetra. Tsy misy afa-tsy vahaolana politika araka izany no tokony hotanterahana eto Madagasikara manoloana ny tranga misy amin’izao fotoana izao. Midira amin’ny latabatra boribory dia samy manetry tena ary aoka samy hiaiky fa samy diso. Tsy misy tsy diso na iza eto na iza, na ny tenako izay miteny izao aza. Tadidio fa ny tantara no hitsara, hoy hatrany ny filohan’ny antoko politika Maeva, Raharimanana Mamy, naneho ny heviny.
