Tontosa ny fiandohan’ny herinandro dila teo iny, tetsy amin’ny Villa privée Ambohimangakely ny fihaonana narahana dinidinika sy tapatapak’ahitra nataon’ny ekipa avy amin’ny Vondron’ny firaisankina sy ny mpitarika ary ireo mpikambana mavitrika eo anivon’ny Antoko Tiako i Madagasikara ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely.
Nivoitra nandritra ny fihanonana izay nizotra tao anatin’ny fahatsoram-po sy firahalahiana fa vonona ho amin’ny fampandaniana ny Kandidà Depioten’ny Firaisankina ao Avaradrano izay tarihan’ny ben’ny tanànan’ny Sabotsy Namehana Andriamosa Avotraina sy ny ho fiatrehana ny fifidianana Solombavambahoaka ny Antoko Tiako i Madagasikara, ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely izy tarihan’ny filohan’ny ComTim Razanakoto Hajasoa « Haja boum » Nohamafisin’ity farany, nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony fa ny Antoko Tiako i Madagasikara dia mpikambana feno eo anivon’ny « Vondrona firaisankina » midika izany, hoy, hatrany izy fa tsy manana kandidà « mahaleo tena » na anaty « Vondrona hafa » hotohanana akory ny Antoko Tiako i Madagasikara izay mbola iray tsy mivaky hatramin’izao anatin’ity fiatrehana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahana , ny 29 may, ho avy izao ity.

Nampitandrina ireo mpikambana ary nanentana ny Vahoaka Malagasy, araka izany, i Haja boum mba tsy ho voafitak’ireo manana saina maloto any ambadika rehetra any izay efa zatra loatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana. Ampy izay ny fandikan-dalana ho an’ireo mbola mikasa hanodinkodina ny safidim-bahoaka, hoy hatrany izy. « Raha te ho avotra, dia miaraka amin’i Avotra » Io rahateo no teny filamatra ho an’ny Kandidàn’ny firaisankina, etsy Avaradrano. Entanina hatrany isika Malagasy mbola tsy very zo handray anjara amin’ny fifidianana Solombavambahoaka, ny 29 may ho avy izao, ary hanara-maso akaiky ny zotram-pifidianana rehetra. Ny fanatanterahantsika izany rehetra izany no lalana tokana hahafahana miala amin’izao fampahantrana sy fanabadoana manara-penitra iainan-dRamalagasy saika ho isanandro vaky lava izao.
