ANTSAHAKELY BESARETY : Maimbo !

Maimbo ny fokontany maro eto an-drenivohitra, ary tena ny ambany tanàna no tena iharan’ny tsy mety.

Toy izany ny eny Besarety-Antsahakely. Misy fanariam-pako eo amin’ny Antanimalalaka izay simba ka mamindra ny fako ao anaty lakan-drano maloto, izay toeram-pivoahan’ny olona maro.

Maimbo tanteraka ny fokontany ary tsy miasa intsony ny RF2, izay mpanadio ny tatatra sy ny làlana. Tsy tantin’ny vahoaka intsony ny fofona ratsy ka miantso ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. Miharatsy ny fahasalaman’ny mponina ary lasa filalaovan’ny ankizy ny tatatra maloto.

Ny mpanao politika moa mampanantena ny tsy misy fa kabary fotsiny ihany. Tsy fantatra intsony ny politika fanatsaram-piainan’ny vahoaka.

Tsy misy fanjakana intsony ve ny tanàna ?

Vous aimerez aussi