ANTSAHAKELY-BESARETY : Tsy vita !

Nantenaina hanala fahasahiranan’ny mponina kanjo navelany teo ny asa. Ao Antsahakely-Besarety no nandraisan’ity olomboafidy ity andraikitra hanatsarana ny tanàna. Tsy dia goavana be akory ny asa fa mametraka rarivato mba hivezivezen’ny vahoaka sy ny fiara. Kanefa dia tsy vita ilay asa ary tsy hita intsony ny mpanao làlana.

Ny depiote Gascar no loharanon’izao tetikasa izao izay isaorana azy. Fa rehefa nahazo andraikitra hafa izy dia tsy nahavita ilay faharoa.

Mampalahelo ny mijery ny tanàna ankehitriny, lavaka sy vato miparitaka etsy sy eroa. Ny loto tsy lazaina intsony fa efa mahazatra.

Koa miverena enao depiote Gascar hamita an’io asa io fa enao ihany no mamim-bahoaka eny Antsahakely. Aza avela toy izao ny tanàna e.

Vous aimerez aussi