"ANTSON'NY TONTOLO MIAINA" ANDIANY FAHATELO : Ny sabotsy ho avy izao no fotoana eny Ankorondrano

Fanja R., Kiady Ratovoson, Iandry Randriamandroso, Jessica Solomon, Johary Ravaloson, Joan Razafimaharo, Miangaly Elia, Noely Ratsimiebo sy Rado Ramilison ary Sham’Archi. Ireo indray no mpanatalenta miisa folo handravaka ny “Antson’ny Tontolo Miaina” andiany fahatelo, amin’ity taona 2026 ity, eny amin’ny “Hangar Zone Zital” Ankorondrano. Hampiranty ny traikefa sy ny fahaiza-manao ary ny kanto voizin’izy ireo amin’ny alalan’ny famolavolana ny fitiavana ny hazo ireo mpanakanto ireo. Tanjona ny hisarihana ny tsirairay amin’ny fitiavana hazo. Izay rahateo no lohahevitry ny andiany fahatelo amin’ity fampirantiana “Antson’ny Tontolo Miaina ” ity na ny ” Dendrophile”. Hanomboka ny sabotsy 17 janoary 2026, eny amin’ny “Hangar Zone Zital” Ankorondrano. Hifarana ny 6 febroary 2026 ny fampahafantarana ny sanganasan’ireto mpanakanto ireto. Vina apetraky ny “Antson’ny Tontolo Miaina”, ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanehoana zava-kanto. Nanasongadina ny “Ravorona” ny lohahevitry ny andiany faharoa tamin’ny “Antson’ny Tontolo Miaina”. Niompana tamin’ny sehatry ny natiora sy ny lafiny tontolo iainana ny andiany voalohany, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi