ARIVONIMAMO : Olona miisa 40 nahazo fiofanana momba ny fanamboarana pave

Olona manodidina ny 40 tao amin’ny fokontany Miandanimamo, kaominina sy distrikan’Arivonimamo, faritra Itasy no nahazo fiofanana momba ny fanamboarana pave nanomboka ny alakamisy lasa teo. Haharitra 15 andro ny fampiofanana araka ny tatitra voaray. Nambaran’atoa isany Randrianindriana Fidel sy Andrianavalonirina Fetra mpampiofana avy ao amin’ny “Lycée Théchnique Prefessionnel” na LTP Mantasoa dia misy amin’ireo olona ireo no efa mahay manamboatra pave, misy no mbola mianatra ary misy no manamafy ny traikefany. Ny kaominina Arivonimamo no tompon’antoka tamin’izao fampiofanana izao. Araka ny fanazavan’ireto mpampiofana kosa dia izay pave vita mandritry ity fampiofanana ity dia hanamboarana lalana ao amin’ny fokontany ihany. “Artisant carré et poseur de pavé” no iantsoana izao fiofanana hatao izao, hoy ireo mpampiofana.

Nomarihan’izy ireo fa bolonga-bato lehibe iray no hatao pave ary manampy betsaka ny olona ao amin’ny fokontany ny fahazoana fiofanana tahaka izao. Marihana, fa bolonga-bato lehibe iray dia mahavita pave 5 000 ary lalana mirefy 50 metatra no vita amin’izany. Ny lalana ao amin’ity fokontany voalaza ity izao dia mirefy 50 metatra ny longeur ary 4 metatra ny largeur ary pave 8 000 no lany amin’io. Ireo olona miofana ireo ihany koa no manefy ny fitaovana ampiasainy. Raha te hanao pave tsara amin’ny lalana, dia tsara raha pave granita sy vato manga kely no atao, tsara mantsy ny lokony. Ireo fitaovana ilaina amin’ny fanaovana pave dia “fanorenana, ara-davaka, katso karazany 3, silaka izay misy karazany (silan-drezaka, matikely ary sila-pandraka), Bandone, maritoa mihoatra ny 2 kilao, lamasy mihoatra ny 5 kilao ary baramine. Ahafahana mitrandraka pave avokoa ireo fitaovana ireo, hoy ireto mpampiofana avy any amin’ny LTP Mantasoa ireto.

Ireo olona nanaraka ny fiofanana momba ny pave.

Vous aimerez aussi