Mandrora mitsilany ka mahavoa tena ! Io no azo ilazana ireo olona manary ny aro vava, ny aron-tanana na fitaovam-piarovana amin’ny valanaretina efa avy nampiasaina any anatin’ireo toerana fanariam-pako eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Ahiana mbola hampitombo indray ny fiparitahan’ny valanaretina efa misy ankehitriny ity tranga ity. Maro amin’ireo sokajin’olona tena sahirana izay monina eto an-drenivohitra no mitsindroka ireo fako. Tsy izy ireo ihany anefa no ahiana mety ho voan’ny covid-19 na valanaretina hafa fa eo ihany koa ireo mpiasa miandraikitra ny fandraofana ireo fako. Tsy tokony ho hadinoina ihany koa fa rehefa migadona eny Andralanitra izay tobim-panariana fako ho an’Antananarivo renivohitra ireo fiarabe mpitondra fako dia efa maro ny olona tonga mifandrombaka sy mikirakira izany eny an-toerana.
Manampy trotraka izany ny mbola fisian’ireo toeram-pitsaboana tsy miankina amin’ny fanjakana sasantsasany ao an-drenivohitra manary ny fakon’izy ireo eny amin’ireo dabam-pako iombonana. Ny tsy fananan’izy ireny ilay milina voatokana natao handorana ireo fitaovana avy nampiasaina no antony.
Dorana avy hatrany
Tsy misy afa tsy ny fandorana avy hatrany ireo aro vava na aro tanana efa niasa no fomba tsara indrindra ahafahana misoroka ny mety ho fisian’ny valanaretina amin’ireny fitaovam-piarovana ireny, izay mety mbola hamindra amin’ny mpiara-belona. Entanina hatrany, araka izany, ny isam-batan’olona mba hanaraka ny fepetra napetraka ho fitsinjovana ny lafiny fahasalamana. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ahafahana mifehy haingana ny valanaretina covid-19.
