ASSOCIATION « FLEUR BLEUE » : Mandray anjara feno ho amin’ny fampandrosoana

Ny taona 1999 no nanorenan-dRakotomamonjy Flavier Noël ny fikambanana « Fleur bleue » tany Andranonahoatra Antsirabe. Tanjona ho an’ny fikambanana ny fampivoarana ny Olombelona amin’ny lafiny manontolo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay noho ny fahatsapana fa miaina anaty fahantrana lalina ny Malagasy maroanisa.

Misehatra amin’ny lafiny fampiofanana marolafy, araka izany, ny Association « Fleur bleue » Anisan’ireny ny sehatry ny fanamboarana « Charcuterie », ny fambolena, fiompiana, haify (sambos, nem, paty gasy, sns), fanamboarana savony, sns. Marihana fa ny Association « Fleur bleue » no nampiditra voalohany teto Madagasikara ny fomba fanamboarana « Fromage au citron » rehefa avy niofana tany Frantsa, tao amin’ny Association « Florentin » tany an-toerana ny filoha mpanorina azy Rakotomamonjy Flavier Noël. Ity farany izay efa lasa mpisoron’ny avo indrindra ankehitriny. Ankoatry ny fanolorana fiofanana isan-tsokajiny dia afaka mampian-trano ireo mpianatra ho amin’ny fanatanterahana tsidika ho fampitomboam-pahalalana « Visite de découverte » ihany koa ny Association « Fleur bleue » any Andranonahoatra Antsirabe.

Miisa 176 ireo mianatra avy amin’ireo Anjerimanontolo manerana ny Nosy no efa nanatanteraka fizaranasa « Stage » tao amin’ny Association « Fleur bleue », hoy i Mompera Rakotomamonjy Flavier Noël, fantatry ny maro amin’ny hoe : Mompera Marc, mpanorina ny fikambanana. Marihana fa misy hatrany ny fampitomboana sy fanatevenana fahalalana amin’ny alalan’ny fanatanterahana fiofanana ho an’ireo « Mpampiofana » eo anivon’ny fikambanana.

Sehatrasa goavana iantsorohan’ny fikambanana ihany koa ny fikarakarana sy ny fanampiana ireo mpiara-belona mahantra sy sahirana. Manodidina ny zato mahery ireo zanaky ny tena sahirana ara-pivelomana no iantohan’ny Association « Fleur bleue » ny fianaran’izy ireny, hoy hatrany i Mompera Marc. Tsy mbola manana mpamatsy vola raikitra ny fikambanana koa manao antso avo amin’ireo tsara sitrapo mba hifanampy amin’izy ireo ho amin’ny fanatanterahana ny sehatrasan’izy ireo. « Ny adidy tokoa mantsy tsy an’olon-dratsy » ary ny « Soa atao levenam-bola », hoy ireo Razantsika hendry sy lalim-pandinihana.

Vous aimerez aussi