Noho ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo sy ny « Arbiochem Group », dia nozarain’ny Kaominina, izay tarihan’ny Ben’ny tanàna Dr Rakotonomenjanahary Firmin, ny alarobia 9 Aprily 2025, ireo akoholahy kely miisa 4.850. Ireo akohokely ireo izay novidin’ireo vehivavy isaky ny fokontany teto amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza.
Tanjon’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, ny mba hisian’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo isaky ny tokantrano. Anisan’ireo teboka lehibe hanompanan’ny Ben’ny tanana Dr Rakotonomenjanahary Firmin, izay mitantana ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny fanohanana ireo tantsaha ary ny tanora. Eo ihany koa ny fampitomboina isa ireo sekoly efa misy sy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa maro samihafa. Ny lafiny fandriam-pahalemana izay hanampiana isa ireo polisy ao an-toerana mba ho fanamafisana ny filaminana.
Ny sabotsy 5 aprily 2025 no nampisalorana samboady indray ka nandray ny fitantanana ny Kaominina Antanetibe Mahazaza ny Dr Rakotonomenjanahary Firmin. Ny sabotsy 5 aprily sy ny alahady 6 aprily 2025 izay samy nanatontosana hetsika maro samihafa teny amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ny Dr Rakotonomenjanahary Firmin izay efa nitantana ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, nandritry ny 17 taona (2008-2025). Be dia be ireo fotodrafitrasa vitan’ity Ben’ny tanàna ity, nandritry izay fe-potoana fahaefatra nitondrany ny kaominina izay. Anisan’ireo nanolo-tanana tamin’izany fananganana sy fanavaozana fotodrafitrasa izay ny Fikambanana “Association Le Lémurien Maison de Madagascar”. Na ny teo amin’ny sehatry ny fanabeazana na ny teo amin’ny lafiny fahasalamana na ny teo amin’ny fisotroana rano madio ary indrindra fa ny teo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, izay efa miovaova ankehitriny dia samy efa nanoloran’ny fikambanana tolo-tanana ny kaominina avokoa.
Ny Fikambanana “Association Le Lémurien Maison de Madagascar” izay manana ny foiben-toerany any amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza ao amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo raha eto Madagasikara. Ny Fikambanana “Association Le Lemurien Maison de Madagascar” izay najoro tamin’ny taona 1994 dia tarihan’ny filoha mpanorina sady filoha maneran-taniny, Randrianarison Henri Vonjisoa. Any Nantes-France no misy izay foiben-toerany maneran-taniny izany. Ity filoha ity izay tsy nanadino ny mitondra fanohanana ireo mponina any amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza hatramin’izay ka hatramin’izao. Nasehony tamin’ny alalan’ny fanomezana omby vavy be ronono izany sy ny fanaraha-maso io omby io izay ho entin’ireo fianakaviana izay mamelona ny tenany dia misy ny fifanarahana hoe: rehefa teraka ny omby dia ny zanany no tazoniny fa ny reniny hafindra fianakaviana sahirana hafa indray hampitomboana taranaka hatrany mba ho lasa hahavelo tena ny mponina eto an-toerana.
Anisany asa nisongadin’ny fikambanana ny nanoloran’izy ireo tany ho an’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, ao amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo sy ny nananganana ny Tsenan’ ny atody eny Soaniroa, eny amin’ity kaominina ity. Tamin’ ny alahady 6 aprily 2025 dia nisy ny lalao fanatanjahan-tena baolina kitra sy ‘basketball” izay nokarakarain’ny kaominina izay tarihin’ny Ben’ny tanàna, Dr Rakotonomenjanahary Firmin. Anisany nanotrona izany, ny Fikambanana “Association Le Lémurien Maison de Madagascar”.
Nanomboka tamin’ny taona 1994 nijoroan’ity Fikambanana « Association Le Lémurien Maison de Madagascar » ity dia mangataka amin’ny Ministeran’ny raharahambahiny (MAE) eo ambany fahefan’ny Ministra, Rasata Rafaravavitafika, mba hamadika azy io ho “ONG” eto Madagasikara, amin’ity taona 2025 ity, ny “Association Le Lemurien Maison de Madagascar” ity, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina sady filoha maneran-tanin’ny Fikambanana “Association Le Lemurien Maison de Madagascar”, Randrianarison Henri Vonjisoa.
