Ny 21 may 2018 no niorina ny « Association Sportive Nouvel Espoir ». Antom-pisiany ny hamolavola sy hitaiza ireo kilonga madinika mba hanana ny hoaviny mamiratra eo amin’ny fiangaliana ny taranja baolina kitra. Misy, araka izany, ny fampiofanana sy ny fitiliana ny talenta ananan’ireo ankizy miisa manodidina ny folo ambiny zato beazina eo anivon’ny « Association Sportive Nouvel Espoir » ankehitriny.
Manomboka eo amin’ny faha enin-taonany no afaka miditra anatin’ny « ASNE » ireo kilonga liana sy te handalina ny taranja baolina kitra. Miara-dalana mandrakariva ny fitaizana ny vatana, ny saina ary ny fanahin’ireo ankizy, hoy, Randrianarimanana Vonjy Norbert filohan’ny « ASNE » izay manana ny foibeny, etsy amin’ny 67 ha mba ho « Olom-banona » ireo ho taniketsan’ny baolina kitra malagasy. Misy ihany koa ny fitsipika mifehy eo anivon’ny « Association Sportive Nouvel Espoir » mba hahafahana manatratra ny tanjona dia ny hamolavola mpilalao baolina kitra matihanina ho afaka hisehatra eto an-toerana sy hatrany ivelany ho fampiroboroboana sy fampiakarana hatrany ny lentan’ny baolina kitra malagasy. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo misehatra sy mpikirakira ny baolina kitra ny « ASNE ».
Nomarihan-dRandrianarimanana Vonjy Norbert filohany hatrany fa mila fanohanana sy fiaraha-miasa akaiky amin’ny Minisitera miahy ny fanatanjahatena ny fikambanana tahaka izao mba ho azo antoka ny hampamiratra ny hoavin’ny baolina kitra malagasy. Miisa fito ireo « Coach » misahana ny lafiny teknikan’ny « ASNE » Ny 09 sy ny 10 Aogositra ho avy izao no handray anjara amin’ny fifaninanana « Tournoi de la fraternité » hotanterahana atsy amin’ny Nosy Maurice ny « Association Sportive Nouvel Espoir » Ny sokajy U11 sy ny U13 no handray anjara amin’izany. Anisan’ny tombondahiny ho an’ny « ASNE » ny fandraisana anjara amin’ny sehatra ivelan’i Madagasikara tahaka izao ho amin’ny fakana traikefa sy fampitomboana ny fahalalana ho an’ireo ankizy beaziny.
