Na dia tsy mbola nivoaka tamim-pomba ofisialy aza ny voka-panadinana bakalorea manokana natao ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra lasa teo dia efa fantatra sahady kosa fa ratsy dia ratsy ny vokatra.
Amin’ny ankapobeny manko dia 18,52% ny taham-pahafahan’ireo mpiadina niatrika izany, raha ny eto Antananarivo Renivohitra.
Ho an’ny sokajy A1 dia 26,10%, ny sokajy A2 : 17,02%, ny C : 23,41% ary ny D kosa : 19,59%. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany anefa no nahitana izao vokatra tsy mahafapo izao fa saika manerana an’i Madagasikara mihitsy.
Rahariva na rahampitso
Amin’izao fotoana hanoratana izao dia efa vory lanona ny mpiadina sy ny ray aman-dreny miandry ny fivoahan’ny valim-panadinana. Efa ny maraina teo no niandry ny fivoahan’izany ny maro, teny amin’ny foibem-panadinana rehetra teny. Saingy araka ny fanazavana azo dia ny ôfisin’ny bakalorea, izay tompon’antoka amin’izany no andrasana sisa.
Koa araka ny fanazavana dia mety ho ny takariva eo na rahampitso maraina vao apetaka indray ny taratasy mirakitra izany valim-panadinana izany. Eny, na dia efa nanome toky ny amin’ny datin’ny androany aza ny tompon’andraikitra.
Asa na hanana ny lanjany na tsia ity bakalorea fihodinana faharoa ity na ahoana ?

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

