BASE TOLIARA : Tsy azo ekena ny fanaovana hazalambo sy famonoana ireo olona miaro ny tanindrazany sy ny zony eo anatrehan’ny tetikasa

Izahay izay manao sonia eto ambany dia manameloka ary mitaky ny fampitsaharana avy hatrany ny hazalambo ireo mpanohitra ny tetikasa Base Toliara izay ataon’ireo milisy ao amin’ny Voromahery miaraka amin’ny zandary sy miaramila hatramin’ny volana jolay 2025, ka izao niafara amin’ny famonoana ankitsirano ny raim-pianakaviana iray izao.

Ireo vavolombelona dia nanambara fa tamin’ny faha-13 Septambra 2025, dia maty voatifitry ny miaramila sy zandary tamin’ny lohany Itompokolahy Bénéfice, izay mpikambana MAZOTO ao Ampasimagniliky, kaomin’Ankilimalinike. Izany fitifirana izany dia vokatry ny fitarihan’ireo mpikambana Voromahery ao Benetse ireo miaramila sy zandary ireo hanenjika ny mpikambana MAZOTO izay miafina any anaty ala hatramin’ny volana Jolay. Ny anton’ny famonoana an’Itompokolahy Bénéfice dia mazava fa noho izy tafiditra ao anatin’ny lisitra misy ireo mpanohitra ny tetikasa Base Toliara.

Ambonin’izany, dia manahiran-tsaina tokoa ny fananganana ny Voromahery, izay vokatry ny firaisana tsikombakomban’ny mpitondra Malagasy isan’ambaratongany ary ny miaramila sy zandary amin’ny orinasa Base Toliara mba handaminana ny toerana hotrandrahiny. Ity firaisana tsikombakomba ity dia tena manafintohina tokoa satria sady mampiady anatiny ireo fokonolona voakasika, no manitsakitsaka ny zon’ny mponina amin’ny fandavana na fanekena malalaka ny tetikasa toy itony, ary manao tery vay manta azy ireo hanaiky ity tetikasa fitrandrahana mampidi-doza ity.

Izahay izay manao sonia eto ambany dia tsy manaiky ny famonoana ho faty ny mpanohitra ny tetikasa Base Toliara, ary ny fanaovana ho sorona ireo toerana fitrandrahana sy ireo mponina voakasika, mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly sokajiana ho “critiques” an’ny fanjakana amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

Amin’ny alalan’ity fanambarana ity, dia mampahatsiahy ireo mpitandro ny filaminanana sy ny manam-pahefana mahefa rehetra izahay fa amin’ny olom-pirenena izay nifidy azy no ananany tamberin’andraikitra voalohany indrindra, sady izy ireo ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.

Manao antso avo amin’ny manam-pahefana mahefa ihany koa izahay etoana :

  • mba hampitsahatra ny fampiasana herisetra sy herim-pamoretana mahafaty ho fiarovana ny tetikasa Base Toliara.
  • mba hampanao fanadihadiana maika, lalina ary tsy mitanila amin’izao fanenjehana sy famonoana olona tao Ampasimagniliky izao ;
  • mba hiantoka ny fahafahana sy ny zon’ireo fianakavian’ny maty sy ny mpiara-dia aminy hiaina am-pahamendrehana ao anaty fahalemana amin’ny lafiny rehetra.

 

Antananarivo faha 15 Septambra 2025

  • Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI),
  • Femmes en Action Rurale de Madagascar (F.A.R.M),
  • Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (R.J.D.D.),
  • Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy Antananarivo (FI.MA.)
  • Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoky (FI.FI.MA.MA.).

Vous aimerez aussi