BEFOTAKA ATSIMO : Zaza latsaky ny 5 taona miisa zato matin’ny aretina tazomoka

Mirongatra ny aretina tazomoka mahery vaika any amin’ny distrikan’i Befotaka atsimo amin’izao fotoana izao. Kaominina roa no lasibatra amin’izany dia ny kaominina Ranotsara sy  Bekofafa, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Zaza latsaky ny 5 taona miisa zato no efa matin’ity aretina tazomoka ity, hoy ny nambarany. Miisa 54 ireo zaza maty tao amin’ny kaominina Ranotsara, raha 53 kosa no maty tao Bekofafa.  Nomarihan’ity depiote ity hatrany, fa vokatry ny fisotroana rano maloto sy misy diky no antony nahatonga izay aretina izay, hoy izy. Efa tonga any an-toerana ny mpitsabo sy ny Paramed, hoy hatrany ny solombavambahoaka, ka azo lazaina fa efa voafehy ity valan’aretina tazomoka izay mandripaka any Befotaka atsimo ity. Efa tonga any an-toerana ihany koa ireo fanafody avy amin’ny ministera sy fitondram-panjakana. Manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa ireo dokotera sy mpitsabo ao Befotaka amin’izao fotoana izao, mba tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity, hoy hatrany ny depiote voafidy tao Befotaka atsimo.

Vous aimerez aussi