BEN’NY TANANAN’ANTANANARIVO : Hiatrika ny tondra-drano i Naina Andriantsitohaina

Naina Andriantsitohaina no Ben’ny Tanàna vaovaon’Antananarivo Renivohitra. Namafisin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana tamim-pomba ofisialy ny efa nambaran’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), io maraina io, tetsy Anosy.

Araka ny efa nambara teto dia tsy nisy akory ny fahagagana na fahatairana satria efa tsapa hatreny am-boalohany ity fanambarana ity, noho ny tsy nandraisana ireo fitarainana nataon’ny kandidà Ny Rina Andriamasinoro, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), izay mpifaninana taminy akaiky.

Andrasana ny fihetsiky ny TIM

Vontoatin’ny fangatahana nataon’ity antoko ity moa ny hanaovana fampitahana ny lisi-pifidianana nampiasaina nandritra ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny lisitra tamin’ity fifidianana Ben’ny Tanàna ity. Saingy, araka ny fanambaran’ny Ceni dia tsy azo tanterahina izany.

Hijoro hatramin’ny farany hitaky izay mety ho fahamarinana anefa ny TIM sy ny Vondron’olona miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato. Andrasana, araka izany, ’zay mety ho fihetsik’izy ireo, manoloana izao fanambarana ny vokatra ofisialy izao.

Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny antoko, Marc Ravalomanana moa dia handefa fitarainana eny anivon’ireo Vondrona Iraisam-pirenena ny tenany.

Hisedra ny olan’Antananarivo

Teny an-toerana ihany dia efa naneho fisaorana ny vahoakan’Antananarivo nifidy azy ity Ben’ny Tanàna vaovao ity.

Ankoatra ny fahavononany hisedra ny olana samihafa eto an-drenivohitra, toy ny ambotaiazy, ny tsena, ny jiro sy rano, ny fako,… nandritra ny fampielezan-keviny dia vonona hiatrika ny an’Antananarivo dibo-drano, izay nahabe resaka tato ho ato koa izy.

Andrasana fatratra, noho izany, ny fandrosoan’ny tananàn’Antananarivo sy ny kaominina maro manerana ny Nosy, satria ny fiarahan’ny loko politika mitovy no efa hetaheta sy fanirian’ny Filoha mba hisian’ny fandrosoana haingana, hono.

Mbola mamim-bahoaka i Penjy Randrianarisoa

Fa tamin’ity famoaham-bokatra ofisialy ity ihany koa ny nanambarana tamim-pomba ofisialy ny mbola nametrahan’ny vahoaka fitokisana an’i Penjy Randrianarisoa. Ben’ny Tanànan’Ivato amperinasa, avy amin’ny antoko TIM izy ary anisan’ireo kandidà nanaovan’ny IRD fitoriana sy fitarainana.

Mbola lany hitantana ity kaomina ity anefa ny tenany na dia tsy avy amin’ny antokon’ny Fitondrana aza.

Ho hita eo izay mety ho fiaraha-miasa sy fanampian’ny Fanjakana foibe azy, amin’ny maha-vavahadin’Iarivo an’Ivato.

Vous aimerez aussi