Vina apetraky ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy, Haja LaSoie, amin’ireo fokontany rehetra mandrafitra ny tanàna iadidiany, ny fametrahana ho laharam-pahamehana ireo manolon-koditra ny mponina ao aminy. Anisan’izany ny fanamboarana ny taboaka izay hahafahana mitahiry rano. Izy io izay hahafahana manondraka ireo tanimbary eny amin’ny kaominina Itaosy sy ireo kaominina manodidina indrindra fa amin’izao vanim-potoana izao. Ankoatra izay dia fanambin’ny Ben’ny tanàna, Haja LaSoie, ny hampisitraka masomboly sy fampitaovana ilaina eo amin’ny sehatry ny fambolena, ireo tantsaha ao aminy.
Anton’ilay fanolorana masomboly sy fitaovam-pamokarana ary fampitaovana momba ny fambolena, ny Zoma 19 septambra 2025, teny amin’ny kaominina Itaosy. Nisitraka izany tolo-tanana avy amin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy izany avokoa ireo tantsaha eny amin’ity kaominina ity. Ny sehatry ny fambolena izay tsy ataon’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy, Haja LaSoie, ambanin-javatra, noho izy io miantoka ny andavanandrom-piainan’ny mponina ao aminy. Tantsaha avokoa ny ankamaroan’ny mponina eny amin’ny kaominina Itaosy. Ny fitadiavana fanampiana eo amin’ny lafiny fambolena tahaka izao araka izany dia lohalaharan’ny kaominina Itaosy noho izy antoka iray lehibe eo amin’ny velon-tenan’ireo mponina ao amin’ny kaominina Itaosy. Tantsaha avokoa ny ankamaroan’ireo mponina ao amin’ny kaominina Itaosy ka tena iankinan’ny izy ireo ny fambolena.
Ankoatry ny fizarana masomboly sy ny fizarana fitaovam-pamokarana ary ny fampitaovana dia ezaka hotratrarin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy, Haja La Soie, ao anatin’ny 4 taona, ireo fampanantenana rehetra nataony tamin’ireo mponina eny an-toerana indrindra fa ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy. Sehatra iray hahafahana mampandroso haingana eo amin’ny lafiny ara-toekarena rahateo ny fambolena sy ny fiompiana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Ny ben’ny tanàna Haja LaSoie izay efa nampisitraka rano fisotro madio, ny kaominina Itaosy.
Io fiaraha-miasa io izay iarahan’ny kaominina amin’ireo ministera maro samihafa. Efa nanamboatra ireo lalan-kely mampitohy ny fokontany ao aminy sy amin’ireo kaominina manodidina amin’ny kaominina Itaosy ihany koa. Tsy mikely soroka amin’ny fampandrosoana ny kaominina iadidiany araka izany ny Ben’ny tanàna Haja LaSoie. Ao anatin’ny asa, hoy izy, no misy ny fampandrosoana, araka ny fanazavana hatrany.


