Ny zoma lasa teo no tontosa soa aman-tsara teny amin’ny kianja manara-penitry ny kaominina Mahitsy, ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy sy ampahibemaso teo anatrehan’ny mponina iadidiany, ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy, Rakotomanga Razaka Dilo. Lanonana izay nanehoan’ity ben’ny tanàna ity sy ireo mpiara-miasa aminy fa tsy maintsy hiavaka amin’ny fahatsarana eo amin’ny fitantanana ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy. Mba ho tena maodely tokoa eo anatrehan’ireo kaominina hafa ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.
Amin’ny alalan’ny fifanomezan-tanana eo amin’ity ben’ny tanànan’ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy ity, Rakotomanga Razaka Dilo sy ireo mpiara-miasa aminy, amin’ny fanaovana ezaka manomboka izao, no hanatanterahan’izy ireo izany. Tanjona ny mba hahatongavana amin’ilay teny filamatry ny kaominina Ambanivohitr’i Mahitsy manao hoe: “Mahitsy mandroso no tanjona”. Io tarigetran’ny kaominina io izay efa natombok’izy ireo, telo volana lasa izay, tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo ny fitantanana. Tamin’ny alalan’ny fanatsarana ny fomba fiasa teo anivon’ny kaominina mba tsy hampiandry ela loatra ireo olona manan-draharaha amin’ity kaominina ity no nanehoana izany. Teo ihany koa ny fanohizana ny fanatsarana ny fampidirana rano fisotro madio eny an-toerana. Ankoatra izay dia ny fanatanterahana ireo tetikasa tamin’ny fampielezan-kevitra izay nampanantenain’ny ben’ny tanàna, Rakotomanga Razaka Dilo, no hotanterahana ao anatin’io dimy taona hitondran’ity mpitantana vaovao ity ny tanàna. Izy ireo izay miompana tanteraka amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny lafiny ara-ekonomika.
Anisan’izany ny fijerena manokana ireo manolo-koditra ny mponina toy ny lafiny fandriam-pahalemana sy ny velon-tenan’izy ireo. Rehefa milamina ny tany dia handry fahalemana ny mponina. Ireo fokontany miisa 31 mandrafitra ny kaominina Mahitsy araka izany dia tsy hisy ho diso anjara amin’ity fanatanterahana ny vinan’ny ben’ny tanàna ity avokoa. Tsy hanao ambanin-javatra ny tsy fandriam-pahalemana ny kaominina. Antony nandraisan’izy ireo fepetra hentitra miaraka amin’ny mpitandro filaminana sy ny Fokonolona. Araka izany dia nohamafisina ny fisafoana. Natsangana ny Vaomieran’ny Fandriampahalemana. Napetraka ny paikady vaovao hanamafisana ny fiarovana. Tsy nitazam-potsiny ny kaominina fa efa nametraka jiro “solaire” mba hanazavana ny tanàna. Nanolotra finday ho an’ireo Vaomieran’ny Fandriampahalemana ihany koa izy ireo izay narahana fampiofanana avy amin’ny mpitandro filaminana. Hisy ihany koa ny famaliana ireo hetahetan’ny mponina mahakasika ny fangatahan’izy ireo satria tsy hilefitra amin’ny herisetra ny kaominina.
Ny kaominina izay hijoro hatrany eo amin’izay fametrahana ny ezaka filamatra izay. Ity lanonana izay nizoran’ny fombafomba ara-panjakana rehetra tao amin’ny kianja manara-penitry ny kaominina Mahitsy ity dia narahana ny fampisehoan’ireo mpanakanto izay niafara tamin’ny afomanga, tamin’io fotoana io. Teo ihany koa ny fiaraha-misakafo tao amin’ny “Espace Ma”. Tonga nanotrona ity lanonana fametrahana samboady ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy ity, ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo. Teo ihany koa ireo ben’ny tanànan’ny kaominina hafa ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.
Ny 23 janoary 2025 no efa notontosaina ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Mahitsy teo aloha sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ankehitriny, Rakotomanga Razaka Dilo. Ny 11 Aprily 2025 no nametrahana ny Samboady manamarika ny maha Ben’ny tanàna ireo avy ao amin’ny kaominina miisa 24 mandrafitra ny Distrikan’Ambohidratrimo. Anisan’izany ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy izay lany tamin’ny fifidianana Kaominaly, ny 11 desambra 2024 lasa teo, araka ny fanazavana voaray.
