Rahampitso amin’ny 10 ora maraina no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana Ben’ny Tanàna notanterahina ny 27 novambra lasa teo.
Heverina ho tsy misy fahagagana loatra izany vokatra izany satria efa fantatra fa nolavin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana avokoa ireo fitoriana napetraky ny kandidà avy amin’ny antoko TIM. Koa ny kandidàn’ny Fitondrana, Naina Andriatsitohaina, noho izany, no heverina hitantana ity renivohitra ity.
Tsy azo ampitahaina
Anisan’ny fangatahana nataon’ny antoko TIM sy ny antokon’olona miady amin’ny hosoka sy hala-bato fatratra ny hanaovana fampitahana ny lisi-pifidianana nampiasaina nandritra ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny lisi-pifidianana tamin’ity fifidianana Ben’ny Tanàna ity. Saingy tsy azo atao ny manatanteraka izany, hoy ny avy amin’ny birao mahaleotena misahana ny fifidianana (na ny Ceni).
Nambaran’ny avy amin’ity vondron’olona miady amin’ny hosoka ity anefa fa tsy hanaiky izany izy ireo ka tsy maintsy hitady ny marina hatrany.
Andrasana, araka izany, izay mety ho fihetsiky ny rehetra amin’ny fivoahan’ny vokatra tena ofisialy.
